"Izay mino sy atao batis no hovonjena; Izay tsy mety mino no hohelohina." (Marka 16:15-16)
Jehovah Andriamanitra Ray sy ny Teny no nahary ny olombelona, ary tahaka ny endrik'Andriamanitra no nahariany azy. Nefa voasoratra ao amin'ny Baiboly fa iza ateraky ny nofo dia nofo, ary izay ateraky ny Fanahy dia fanahy.
Andriamanitra irery no tsy mety maty , fa ny olombelona dia mety maty. Nefa manana anjara ho tonga zanak'Andriamanitra, fanahy, koa ny olombelona, ary izay zanak'Andriamanitra no mpiray lova amin'i Kristy ao amin'ny Fanjakan'Andriamanitra.
Dr Rakotondravony Daniel, mpiandraikitra ny Fiangonan'Andriamanitra Miray eto Madagasikara no manolotra ho anao ny toriteny fianarana Baiboly. Ny literatiora sy fanazavana fanampiny dia voarakitra ao amin'ny Toriteny ao amin'ny tranokalan'ny Fiangonan'Andriamanitra Miray.
Jesosy Kristy sy ny Fiangonan'Andriamanitra voalaza ao amin'ny Baiboly dia nitandrina ireo andro masina firavoravoana voatendrin'i Jehovah ireo. Inona no hevi-panahin'ny fety? Nahoana isika no tokony hitandrina izany koa ankehitriny?
Araho ny toriteny fianarana Baiboly mahafinaritra atolotry ny Fiangonan'Andriamanitra Miray. Fantaro ny zavatra rehetra ary mifohaza ka katsaho ny Fanjakan'Andriamanitra mba hanananao anjara fiainana mandrakizay miaraka amin'i Jesosy Kristy Tompo.
Ny Fiangonan'Andriamanitra Miray dia mpikambana ao amin'ny United Church of God na Eglise de Dieu Unie, vondrom-paritra Afrika Atsinanana. Efa misy ny fiangonana eto Antananarivo, Madagasikara ary misy ny tranokala mirakitra ny fianarana rehetra. Azonao henoina koa ny internet radio. Ny rohy dia azonao jerena ato: https://ucgmada.blogspot.com
Ao amin'ny Fanjakan'Andriamanitra dia hotahiana ny firenena rehetra, ary haniry ny hianatra ny didy sy lalàn'Andriamanitra ny firenena rehetra. Hanefy ny sabany ho fangady ny olona ary tsy hianatra ady intsony. Ary na dia ny biby masiaka aza dia hiova ho malemy fanahy ka tsy handratra eran'ny tendrombohitr'i Jehovah. Hisy vokatra be dia be amin'izany. Ny tany hahavoka-javatra, ary ny olona ho malemy fanahy sy hitady an'i Jehovah.
Dr. Daniel Rakotondravony no mitondra ny fampianarana ho anao. Izy dia mpiandraikitra ny Fiangonan'Andriamanitra Miray eto Madagasikara, ao anatin'ny vondrom-paritra Afrika Atsinanana. Ny lahatsoratra sy fanazavana fanampiny dia hitanao ao amin'ny tranokala: https://ucgmada.blogspot.com ao amin'ny Toriteny.
Raha maniry ny hiara-mivavaka aminay ianao dia mifandraisa aminay. Azonao atao koa ny mandefa hafatra ao amin'ny Facebook.
Maro ny kristiana no mankalaza ny krismasy na noely, nefa tsy mahafantatra ny tena antony niandohan'ilay fety akory. Mino izy ireo na ny marina dia voafitaka izy ireo ka mino fa ny krismasy na noely dia fankalazana ny tsingerintaona nahaterahan'i Jesosy Kristy.
Ny fankalazana ny nahaterahan'i Jesosy dia tsy anisan'ireo andro firavoravoana voatendrin'i Jehovah ao amin'ny Baiboly. Toy ny fivavahana amin'ny andro alahady ihany dia namorona fety ho azy araka ny fiheviny ny olona hoentiny hanaovana fanompoam-pivavahana ho an'i Jehovah Andriamanitra, Izay namorona ny tany sy ny lanitra ary nitsahatra tamin'ny asany tamin'ny andro Sabat, andro fahafito.
Dr. Rakotondravony Daniel, mpiandraikitra ny Fiangonan'Andriamanitra Miray, mpikambana ao amin'ny Eglise de Dieu Unie na United Church of God, Fikambanana Iraisam-pirenena, no mitondra ny fampianarana ho anao. Aza adino ny mamaky hatrany ny Baibolinao sy mangataka ny Fanahy Masin'Andriamanitra mba hanokatra ny fo sy ny sainao hahalala ny marina sy ho afaka amin'ny fahadisoan-kevitra rehetra. Ny fanazavana sy literatiora fanampiny dia azonao trandrahana ao amin'ny tranokala ihany, amin'ny fizarana momba ny andro firavoravoana voatendrin'i Jehovah.
https://fiamiray.blogspot.com na https://ucgmada.blogspot.com
Maro ny olona no mino fa ny fanahin'ny olombelona dia tsy mety maty. Nefa tsy izany no voalazan'ny Tenin'Andriamanitra ao amin'ny Baiboly. Inona ny ain'ny olombelona? Avy aiza no niaviany? Inona no lalana mankany amin'ny fiainana mandrakizay? Ny raki-peo no mirakitra ny fianarana momba izany.
Dr. Rakotondravony Daniel, Fiangonan'Andriamanitra Miray, dia mpianatr'Andriamatoa Herbert W. Armstrong hatramin'ny taona 1972, ary nandalina Soratra Masina sy mampianatra ny fiangonana hitandrina ny didy sy lalàn'Andriamanitra rehetra, ary anisan'izany ny didy momba ny fitiavana an'Andriamanitra. Ny vadiny, Ramatoa Raeliarisoa Marie Odette dia manampy azy amin'ny fanontana ny boky amin'ny fiteny Malagasy mba ho azon'ny olona hianarana amin'ny fiteny Malagasy izany. Ny lahatsoratra mirakitra ny fianarana Baiboly dia azonao trandrahana ao amin'ny tranokala'ny Fiangonan'Andriamanitra Miray eo ambany:
https://fiamiray.blogspot.com na ny https;//ucgmada.blogspot.com
Azonao atao koa ny manaraka ny fianarana amin'ny web radio sy ny pejy na groupe ao amin'ny Facebook.
Jehovah Andriamanitra Ray dia nanambara ny zavatra tsy maintsy ho avy any amparany, ary ny Bokin'ny Apokalypsy sy ireo andro firavoravoana voatendrin'i Jehovah no manambara ny planin'Andriamanitra ho an'ny olona rehetra. Ity rakipeo manokana ity dia hanampy anao hahatakatra ny hevi-panahin'ny didy sy lalan'Andriamanitra sy ny Bokin'ny Apokalypsy.
Ity fizarana ity dia mirakitra ny fianarana Baiboly momba ny fitsarana ilay vehivavy janga lehibe sy ny fitsaran'ila Seza Fiandrianana Fotsy Lehibe. Ambasadaoro Kolejy, Fiangonan'Andriamanitra Miray.
Ny Ambasadoaoro Kolejy eto amin'ny Fiangonan'Andriamanitra Miray dia fianarana sy fandalinana Baiboly ho anao, hahafantaranao ny Filazantsaran'Andriamanitra sy ny planina mahagaga nataon'Andriamanitra ho an'ny olombelona rehetra. Ity fizarana ity dia hahatakaranao ny hevi-panahin'ireo andro firavoravoana voatendrin'i Jehovah sy ny maha-zava-dehibe ny fitandremana azy ireny, satria ireny no manambara ny dingana fito lehibe nataon'Andriamanitra ho an'ny zanak'olombelona. Ny fahatakarana ny hevi-panahy raiketiny dia hanampy anao hahatakatra ny zava-miafin'ny boky Apokalypsy sy ny Tenin'Andriamantra, raha maniry izany ianao, ka manan-tsofina ho enti-mihaino izay lazain'ny Fanahy aminao.
Rehefa mibebaka marina isika ka mino fa Jesosy Kristy no Tompo sy Mpamonjy dia miroso amin'ny batisa sy ny fametrahan-tanana handraisana ny Fanahy Masina. Mila mitombo amin'ny toetran'Andriamanitra isika ary mifady ny ota. Io no ambaran'ny dingana manaraka amin'ny planin'ny famonjena nataon'Andriamanitra ho antsika. Rehefa miezaka mitandrina ny didy sy lalàna ary fitisipik'Andriamanitra isika dia manana ny sain'i Kristy ary mitoetra ao anatintsika ny finoan'i Kristy ary mitoetra ao anatintsika ny Fanahy Masina. ...
Ny Ambasadaoro Kolejy dia fianarana Baiboly atolotry ny Fiangonan'Andriamanitra Miray, handinihana ny Tenin'Andriamanitra, hitomboana amin'ny fahalalana tsara an'Andriamanitra sy Jesosy Kristy ary ny planin'Andriamanitra ho an'ny olombelona rehetra. Inona no planin'ny Famonjena? Andriamanitra dia nanome ireo andro firavoravoana voatendry (Levitikosy 23) ho planina mahagaga amin'ny famonjena ny zanak'olombelona izay mino Azy, fa ho fandringanana kosa ireo fatra-mpikomy amin'Andriamanitra.
Nahoana no ianarana ny Baiboly? Inona no Filazantsaran'Andriamanitra? Inona ny Fanjakan'Andriamanitra?
Ny vaovao mahafaly momba ny Fanjakan'Andriamanitra dia natao ho an'ny olona rehetra, ary tsy maintsy mitory izany izahay mba ho vavolombelona. Manomboka amin'ny finoana sy fibebahana, ny Paska, ny Mofo Tsy Misy Masirasira, ny batisan'ny rano sy ny Fanahy Masina, ny Pentekosta, izany dingana izany. Fanampin'izany, dia ao koa ny fahatsiarovana amin'ny Fitsofana Trompetra, ny Andro Fanavotana, ny Fetin'ny Tabernakely, ary ny Fara-fivoriana. Ny hevi-panahin'ireo andro masin'i Jehovah Andriamanitra ireo no mirakitra ny zava-miafin'ny planina mahagaga nataon'Andriamanitra ho ahy sy ho anao.
Ny Fiangonan'Andriamanitra Miray dia mpikambana ao amin'ny United Church of God, izay fikambanana iraisam-pirenena niorina tamin'ny 1995, ary ao anatin'ny vondrom-paritra Afrika Atsinanana. Ny iraka tanterahinay dia ny mitory ny Filazantsaran'Andriamanitra amin'ny olona rehetra sy ny manomana vahoaka ho amin'ny Fanjakan'Andriamanitra araka izay notorian'ny Pastera Herbert W. Armstrong.
Ny Fiami Radio dia tari-dalana ho antsika maniry handinika sy hahatakatra ny fahamarinana fototra avy ao amin'ny Baiboly. Azonao henoina eto izany manomboka anio.
Inona no famantarana hafa nomen'i Jesosy hanambarana fa efa akaiky ny "farany"? Moa ve i Jesosy nilaza fa ny "fahavetavetan'ny fandravana" dia arak’izay nolazain'i Daniela mpaminany? Isika kristiana dia asaina misaina rehefa mamaky momba izany fahavetavetan'ny fandravana izany. Moa ve io baiko io nomena an'i Daniela ihany koa?
Inona no andininy mbola nilazan'i Daniela ny "fahavetavetan'ny fandravana"?
Ny raki-peo no hanampy anao hahafantatra ny marina.
Ny literatiora sy fanazavana fanampiny dia azonao trandrahana ao amin'ny Ambasadaoro Kolejy, fianarana sy fandalinana Baiboly eto amin'ny Fiangonan'Andriamanitra Miray. Tsindrio na adikao ny rohy: https://k12.instructure.com/enroll/YFLEJ6
Ny Apokalypsy 6 sy Apokalypsy 19 dia samy miresaka momba ny mpitaingina soavaly fotsy. Matetika isika no tsy mahay manavaka azy ireo, tsy mamaky tsara ny filazalazana momba azy ireo, ary voafitaka hino zavatra tsy marina, fa milaza fa samy manambara an'i Jesosy Kristy avokoa ireo mpitaingin-tsoavaly roa ireo. Ny marina dia samy manambara kristy izy ireo, fa ny voalohany dia kristy sandoka (Apokalypsy 6). Io dia ho avy mialoha ny fahoriana lehibe eto an-tany, ary efa mivoivoy eto amin'izao tontolo izao miaraka amin'ireo mpitaingin-tsoavaly maintymena, ary hatsatra izy io.
Mifanohitra amin'izany kosa, Ilay mpitaingin-tsoavaly voalaza ao amin'ny Apokalypsy 19 dia i Jesosy Kristy, Izay ho avy hotronin'ireo anjely marobe, ho tonga hamonjy ny olona. Ampahany amin'ny tsy fitoviana ihany ireo voalaza ireo. Ny raki-peo no mirakitra ny fanazavana fanampiny. Ary ny literatiora sy lahatsoratra fameno dia azonao trandrahana ao amin'ny Ambasadaoro Kolejy, fianarana sy fandalinana Baiboly eto amin'ny Fiangonan'Andriamanitra Miray. Tsindrio na adikao ny rohy: https://k12.instructure.com/enroll/YFLEJ6
Matetika isika no tsy mahatakatra na lahazo tsara ny dikan'ireo soavaly efatra ao amin'ny Apokalypsy 6. Ireo anefa dia anisan'ireo famantarana fotoana nomen'Andriamanitra fa hitranga mialoha ny fiavian'ny andro farany.
Ireo soavaly efatra sy ny mpitaingina azy ireo dia maneho ny endrika efatra lehibe eto an-tany, izay nolazain'i Jesosy fa hisy amin'ny faran'ity vanimpotoana ity, samy miaratsy sy mifanitsaka daholo izy ireo, ka miantraika manerana an'izao tontolo izao.
Ny soavaly fotsy dia mampiseho an'ireo minisitra sandoka maro izay mitory Kristy sandoka sy làlana diso mankany amin'ny "famonjena". Ny soavaly mena dia maneho ny firongatry ny fahasimbana vokatry ny ady. Ny soavaly mainty kosa dia tandindon’ny mosary tsy mitsaha-mitombo. Ary ny soavaly hatsatra dia maneho ny fihanaky ny areti-mifindra.
Moa ve ny toko fahenina ao amin'ny Apokalypsy dia mampiseho ireo toe-javatra mitovy amin'ilay nolazain'i Jesosy ao amin'ny toko faha-24 amin'ny Matio fa amin'ny teny an'ohatra? Araho ny fanazavana ary raiso ny Baibolinao hahafantaranao ny marina.
Ireo mpitarika fivavahana tamin'ny andron'i Kristy dia tsy nahatakatra ireo "famantarana ny fotoana". Kanefa, dia efa nampianarina azy ireo fa ho avy ny Mesia, satria io hafatra io dia niverimberina tao amin'ny boky rehetra tao amin'ny Testamenta Taloha. Ao amin'ny andininy faha-3 ao amin'io toko io ihany, dia nasehon'i Jesosy fa mety ho azon'izy ireo izany raha toa ka tena iriny. Ary izany fiheverana izany dia mbola hita amin'izao vaninandro iainantsika izao koa. Mety hiverina anio alina ve i Kristy? Inona no famantarana nomeny mialoha ny fiaviany? Moa efa tanteraka avokoa amin'ny fahafenoany ve ireo famantarana fotoana nomeny?
Ny literatiora sy fanazavana fanampiny dia azonao trandrahana ao amin'ny Ambasadaoro Kolejy, fianarana Baiboly ao amin'ny Canvas atolotry ny Fiangonan'Andriamanitra Miray.