Ny Fiangonan'Andriamanitra Miray dia mpikambana amin'ny United Church of God, Fikambanana Iraisam-pirenena, Vondrom-paritra Afrika Atsinanana. Mitory ny Filazantsara ary manomana vahoaka ho amin'ny Fanjakan' Andriamanitra. https://fiamiray.blogspot.com/
All content for Fiangonan'Andriamanitra Miray is the property of Fiami Radio and is served directly from their servers
with no modification, redirects, or rehosting. The podcast is not affiliated with or endorsed by Podjoint in any way.
Ny Fiangonan'Andriamanitra Miray dia mpikambana amin'ny United Church of God, Fikambanana Iraisam-pirenena, Vondrom-paritra Afrika Atsinanana. Mitory ny Filazantsara ary manomana vahoaka ho amin'ny Fanjakan' Andriamanitra. https://fiamiray.blogspot.com/
Fiami Radio - Inona no antony namoronan'Andriamanitra ny olombelona?
Fiangonan'Andriamanitra Miray
3 hours 23 minutes 1 second
3 years ago
Fiami Radio - Inona no antony namoronan'Andriamanitra ny olombelona?
Inona no antony namoronan'Andriamanitra ny olombelona ?
Ny olombelona dia noforonin’Andriamanitra araka ny endrik’Andriamanitra. Mety ho tonga zanak’Andriamanitra ny olombelona, ary afaka mandray anjara amin’ny fomban’Andriamanitra. Noforonin’Andriamanitra ho nofo ny olombelona, ary avy amin’ny tany no namoronany azy. Ny fofon’aina no iveloman’ny olona; mety maty izy, iharan’ny fahalovana sy fahafatesana. Izany hoe, tsy manana fiainana mandrakizay ny olombelona, afa-tsy hoe raha manaiky an-tsitrapo ny handray ny fanomezana avy amin’Andriamanitra, araka ny toetra sy ny teny asehon’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly.
Andriamanitra dia nametraka safidy teo amin’i Adama sy Eva, ho fiainana mandrakizay raha mankatò an’Andriamanitra, na ho fahafatesana raha manota. Tsy nanohitra ny fakam-panahy Adama sy Eva. Noho izany dia niditra teto amin’izao tontolo izao ny ota. Tamin’ny alalan’ny ota, dia tonga ny fahafatesana. Manjaka amin’ny olombelona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra (Genesisy 1:26; 2 Petera 1: 4; Hebreo 9:27; 1 Korintiana 15:22; Romana 5:12; 6:23). Inona no antony namoronan’Andriamanitra ny olombelona? Tsindrio ity.
"Ary Andriamanitra nanao hoe: Andeha Isika hamorona olona tahaka ny endritsika, araka ny tarehintsika; ary aoka izy hanjaka amin'ny hazandrano ao amin'ny ranomasina sy ny voro-manidina sy ny biby fiompy sy ny tany rehetra ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany." (Genesisy 1:26)